<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>456</hymn_number>
<title>He, sambatra ny navelanao FFPM456</title>
<lyrics>[V1]
 He, sambatra ny navelanao
 Ny helony, ry Jehovah !
 Ny otany voasaronao,
 Ka tsy mba isaina koa ;
 He, sambatra ny mahitsy fo,
 Fa azy ny lovasoa.

[V2]
 Ny fo nony nampaginiko,
 Ny heriko nihalany ;
 Ny ota izay nafeniko
 No dia nahatonga izany,
 Ka ketraka ny fanahiko,
 Nisento sy nitomany.

[V3]
 Ny otako dia nambarako,
 Niantso ny Tompo aho,
 Niaiky ny fahadisoako,
 Nivalo sy nitalaho,
 Ka dia nomeny indrafo,
 Mba ho afa-keloka aho.

[V4]
 Jehovah no fialofako
 Sy manda miaro ahy ;
 Ny rano, na dia tondraka,
 Dia tsy hahatratra ahy ;
 Ny hobin'ny afa-keloka
 No ampihirainao ahy.

[V5]
 Ry olon'Andriamanitra,
 Vonjeo ny andro soa,
 Ny otanao izay miafina,
 Itsorinao avokoa ;
 Raha mita ilay ony maizina,
 Dia aronao ny Tsitoha.</lyrics>
<author>C.E.F. Weyese</author>
</song>